Mandihy sega

Mami Bastah

Mandihy sega


Ny ao an-tanana dia smy efa tapi-nanoko nahandro
Hifandimby toerana indray re ny volana sy ny masoandro
Hariva diavolana ny any aminay ravahin’ny aloky ny ala-papay
Misy lanonana ao an-tranàna ka dia miomàna


Andian’ankizy sy tanora maro mifalihavanja
Tarafin’ny taratr’ilay diavolana ka samy manja
Mifampisakambina toa tsy hisaraka mamonjivonjy ny toera-malalaka
Mitohy ny lanonana ao an-tanàna ka dia miomàna


Miara-midola mirindra mamindra na vavy na lahy
Miara-midola sy mihetsiketsika mandihy sega
Ny ranjo efa henjana mitotoronjaka nefa ny saina tsy mahatsiaro vizana
No nanafana ka mahatamana izany sega


Miara-miredona mihiratra toa olona iray
Arahin’ny fidoladolan’ny ala-papay
Ka ny diavolana no manazava mandefa ny tarany eny amin’ny tava
Mitohy ny lanonana ao an-tanàna ka dia miomàna


Reo tovovavy kosa finaritra ery mampandihy n y valahiny
Moiara-midola amin’ny mpoitendry mozika fa io no arahiny
Reo tovolahy sasany teo rvy ery, mifidy ny manja sy mahay mandihy
Manararaotra mandeha mandihy hay hitory fitia


Reo olon-dehibe efa sasa-dahasa nandao ny fandriany
Tsy tafabdry mandry fa manembonembona ny andro fahiny
Dia mamonjy sy toera-malalka ka na dia efa vizana sy efa valaka
Misosososo manenjika pà fa mandihy sega


·