Mandehana mitory
APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana
Mandehana mitory
Ny fitiavako anao Tompo ô
No anarahako hatraiza hatraiza
Hamaliako ny « Antso »
Na dia sarotra aza miaina izany
Olona tsy fantatro akory moa Tompo
Tany maha vahiny ahy
Fiteny tsy mahazatra koe
Fomban-drazana manginy fotsiny
Ref :
Mandehana f’Izaho no maniraka
Mitoria amin’ny olon-drehetra
Tsy mitondra vatsy na kitapom-bola
Ny tongotra asiana kapa, ny tanana mitehina
Izay trano hidirana ao no ipetrahana
Raha toa mendrika azy ho ao ny fiadanana
Raha tsy izany ahitsano ny vovoka hiapanga
Fa ny voromanidina aza mba velona ! (Lk 9.-6)
Ilana fanapahan-kevitra Tompo ô
Ny fanarahan-dia Anao
Fa feno hazofijaliana
Tsy ampoizina eny an-dalana eny
Isaorako anao kosa anefa
Matoa velona aho
« Dia ny fahasoavanao no maha toy izao ahy »
Ka isaorako anao e !