Mandehana mitoria

Ny Fanilo

Mandehana mitoria


Inty misy hafatra tsara
Ho antsika efa niova fo
Torio ny filazantsara
Miantso anao ny tompo jesoa
Fa maro ireo olona very
Toy ny ondry tsy misy mpiahy
Mila anao izy mba hampahery
Hampitombo ny fiainam-panahy
X2


Jesosy tompo no miantso
Hoe mandehana mitoria
Oh ry mpino aza malaina
Miantso anao jesosy tia
Izy anie hiaro anao
N’aiza n’aiza no aleha
Mandehana mazotoa
Homba anao anie jesoa


Feonkira


Isika anie novonjeny
Indray indray toa varimbariana
Nefa misy ireo olo-manjeny
Ao an-tanana na fianakaviana
Anjakan’ireo fanahy ratsy
Satria miolona tsy misy vatsy
Tsy mba manam-pinoana ka very
Mila anao izy mba hampahery


Tadidio sy ankatoavy
Ireo hafatry jesoa
Ampiasao avokoa
Ireo teny mahasoa
Tsy ho foana tsy akory
Ny fikelezanareo aina
Ndehana fohazy izay matory
Mazotoa f’aza malaina


Jeosy tompo no miantso …


·