Mandehana hanamboatra firenena

SE.TE.LA

Mandehana hanamboatra firenena


Ampy izay ny tavozavoza varimbariana
Aoka izay ny toetra feno faharatsiana
Tsy maintsy miova isika anio
Hanana toetra soa, madio
Fa mbola maizin’ota ange ity firenena!


Marobe ‘reo mpanompo sampy, mpilalao ody
Sy ireo lasa any an-kafa, misodisody
Ndeha hotaomina avokoa
Ho mpino toa antsika koa
Fa mbola maizin’ota ange ’ty firenena


Ao koa ‘reo tia kolikoly sy risoriso
‘Zay minia mifikitra amim-pianan-diso..
‘Ndeha isika hiray feo
Mba ho mpananatra azy ireo,
Fa mbola maizin’ota ange ’ty firenena


Koa mandeana fa ny Tompo maniraka anao
Hande lavitra, hanorina fiainam-baovao;
Ho vavolombelona, ho sahy sy hanompo
Hamboatra firenena voaomana ho an’ny Tompo
SE.TE.LA FJKM
(SEhatra TEolojia ho an’ny LAika)


·