Mandehana

GAFLI

Mandehana


Hoy ny Tompo amintsika mpianany
Ndeha zarao ilay vaovao mahafaly
Dia ao Jerosalema sy eran’i Jodia
Ary amin’ izao tontolo izao


Ka aza manahy intsony izao
Fa Izaho no momba anareo
Ambara-pahatongan’ny fahataperan’ izao tontolo izao


Ndeha izao sy ianao hiara-dia
Hifampitantana hiara hitory ny Anarany
Ny fo sy fanahy no hatambatra ho iray
Ho voatory ny Filazantsara


·