MANDALO NY ETY

Zo Ryan

MANDALO NY ETY


Indraindray isika manadino
ndraindray koa mila tsy hino
hoe FANDALOVANA NY ETY
Fa variana amin’ny filàna
tsy misaina izay hiafarana
rehefa ary ankoatra ary
Ndao hararaotina dieny mbola miaina
Hifankatia hifanao soa
fa tsy hisy honina ety mandrakizay doria


Ka andao hiaraka hifandray tanana
Hifampizara hafaliana ,
Hiara ory amin’ny fahoriana
tsy hisy hifandrafy fa ho mpinamana,
ka Hihavana


Ireo noraisinao ho fahavalo
nanananao alahelo
Androany izy lefero
Sao hanenina rahampitso
rehefa lasa izy tsy eo intsony
hantsoin’Ilay RAY ao ambony


Ndao hararaotina dieny mbola miaina
Hifankatia hifanao soa
fa tsy hisy honina ety mandrakizay doria
Ka andao hiaraka hifandray tanana
Hifampizara hafaliana ,Hiara ory amin’ny fahoriana
tsy hisy hifandrafy fa ho mpinamana,
ka Hihavana


NDAO HIFAMELA
NDAO HIFANDEFITRA

NDAO HIFANAO SOA
NDAO HIFANKATIA
FA MANDALO NY ETY
TSY MISY HO DORIA
Zo Ryan


·