Mandalo ihany
GAFLI
Mandalo ihany
Ny alahelo sy ny sentom-po
Tsy hahasaraka ahy Aminao
Jeso mpiahy ny fiainako
Tsy taka-tsaina ny fitiavanao
ref: Mandalo ihany ‘zao tontolo izao
Nefa sambatra kosa ny manana Anao Jeso
Na fitsapana, na fisedrana
Zakako foana raha amiko Ianao
Ny fifaliana mameno ny fo
Dia fifaliana anilanao
Ny fiderana ‘zay asandratro
Feo milaza ny am-poko ao
ref: Mandalo ihany ‘zao tontolo izao …
Ny fanolorako tena ho Anao
Mba amasino ho vaovao
Ny sitrakao no tiako atao
Koa ampianaro sy mba hazavao
ref: Mandalo ihany ‘zao tontolo izao … (x2)