MANAO TSIA
Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha
MANAO TSIA
MANAO « TSIA »
Harena sarobidy nomen’ny Tompo ahy ‘ty tenako ity
Nataony tena tsara ka mila karakara sy fitandremana
F’ilay satana ratsy mamoron-teti-dratsy hanimba azy re !
Mamela-pandrika, mamitapitaka, fa te-hamotika !
Koa raha misarika ahy ireo fakam-panahy
‘ty izaho hanao TSIA, TSIA, TSIA
Raha indro eo aloha ireo ota mahavoa
‘ty izaho hanao TSIA, TSIA, TSIA
Fa ny fahazazako sy ny fahatanorako tehiriziko ho madio
Ho an’i Jesosiko , Ilay Mpamonjiko, Fa Izy Tompoko !
A/C : Seta M. RAMAHEFAHARISON