Manantena hatrany

APFM - Amboaram-Peo Feon'ny Miantso

Manantena hatrany


Na sarotra aza Ray
Ny lalan-kalehako
Na mideza aza izay ho diaviko
Na ora-mikija, na koa anavandra
Na rivotra hifofo no mahazo ahy
Tsy ho kivy aho, tsy hiverin-dalana


Manantena Anao ry Tompo
F’ianao no hiaro ahy
F’izay ao Aminao dia tsy ho kivy
Fa manantena hatrany Ray


Na irery aza aho, na ory koa
Manantena hatrany
Fa ilay tananao no hatsotranao
Mba ho anjarako


Manantena hatrany…


APFM - STK Filadelfia
A/C: Misarivo RAKOTOARIVELO


·