MANANTENA
AFAS - Antsan'ny FinoanA Soavina
MANANTENA
1/ Izao rehetra izao Jesosy,
Manangoly ny fanahy sy ny fo.
Indraindray manintona ahy;
Tsy takatry ny saina ihany koa.
Ny rehetra izay atao,
na aiza na aiza misy ahy ry Tompoko,
Mamitaka ahy hatrany,
ilay satana fahavaloko.
Matoky Anao anefa aho, Mpamonjiko.
Ref:
Hianao ry Ray no toky sy heriko.
Ka na inona hanjò,
Apetrako Aminao ny fiainako.
Manantena aho,
Fa Hianao hampandresy ahy.
Fiarovako Hianao,
Anankinako ny làlako.
2/ Tsy izaho irery Ray ô!
Mitalaho koa ireo mino namako;
Tsy hita tanisaina,
na koa hoe tantaraina izay manjò.
Na dia eo aza izany,
Hianao no mahalala ny ao am-po.
Fa ny Fitiavanao,
sy ny Fitahianao no mahasoa.
Ny teninao Tompo ô! Fiarovan-doha.