Manankarena Fitiavana

Ny Ambasadôrà

Manankarena Fitiavana


Ny hasasarako ho maivana fa entinao ny entako
Ny hetaheta ho afaka Ianao no loharano soa
Manankarena fitiavana Ianao fahasoavana be
Tsy misy izay tsy anananao , Anao zao rehetr’izao


Ref:
Sambatra aho fa zanakao ,Eny malalanao
Izaho sy Ianao no hiaradia hifampitantan’ho doria
Hatrety ka hatrany an -danitra ,hiaraka mandrakizay


Ny adin - tsaina zay mandreraka , soloina fiadanam - po
Ny fahoriana zay mahasasatra , ho tonga fifaliana
Manankarena fitiavana Ianao fahasoavana be
Tsy misy izay tsy anananao , Anao zao rehetr’izao


Ref:…


Entiko eo aminao avoko, reo zava - tsarotra manjo
Mahatoky ny fitanananao, Ianao ’lay Tompo tsy mandao
Manankarena fitiavana Ianao fahasoavana be
Tsy misy izay tsy anananao , Anao zao rehetr’izao


Ref: (x2)
…mandrakizay


·