Manangatra andro atoandro

Ikalalila

Manangatra andro atoandro


Eo ary hoe
Hojereko
Ilay maratra e
Hotazaniko


Ilay mampijaly anao isan’andro
Isan’andro, isak’alina
Ilay tsy ahitànao tory
Manangatra andro atoandro
Mankahia, mampahory


Saika tsy hanelingelina ihany aho
Hamela anao hiady irery ao
Saingy ilay mihidy aman-trano
Tsy hampisava ny tahotrao


Aza miondrika
Izaho ito
Aza mangovitra
Izaho ihany ito


Ilay azonao ihantahantàna
Na fihininina mafy
Tsy misy ambara firy
Mba te hahita anao mitsiky fotsiny
Manadino ny hirifiry


Tononkira sy feony : Lila Ratoveloniaina


·