Manana anjara

T.I.A Andraisoro

Manana anjara


Manana anjara fifaliana
‘zao tontolo izao f’ao Betlehema ao
No teraka ny Mesia ‘lay Tompo Tsitoha
Ho famonjena hanafaka


Fiv: Avia re hanandram-peo
Mba hanambara eran-tany
Ny vaovao mahafaly
Efa tonga izao Kristy
Avia re hanofahofa tanana
Voninahitra asandratra
Ho an’ny Avo indrindra
Fiadanana ho ety an-tany
Ho an’ny ankasitrahany


Hafaliam-be he! Tsy voarefy
Ka fanantenana no ao anaty
Mendrika ho deraina hankalazaina
Fa lehibe tokoa ny fitiavany


Fiv: …


  Oh Haleloia dera ry Ray

Haja sy hery no atolotray
Oh haleloia dera ry Ray
Haja sy hery no atolotray

Endrey ‘zany fifaliana
Endrika ravo falifaly
No entina mankalaza
Fa efa tonga ny Mesia
(Oh fifaliana, ravo tokoa
Faly hankalaza ny Mesy Jesoa)
Oh haleloia der ary Ray
Haja sy hery no atolotray


·