Manana Anao
Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana
Manana Anao
1- Eo ambany elatrao no mahatsara ahy
Izay miankina Aminao tsy mba manahy
Lafatra e, Sambatra e, Kanto tokoa
Jesoa o, manana Anao dia afa-po
Fiv:
Fifaliana, fitahiana, fiadanam-po
Fahasambarana tsy ho lany feno tokoa
Fandresena tsy vidiana fa valisoa
Jesosy o, manana Anao dia afa-po
2- Ny voadiko Aminao ry Tompo o
Ny tsy hiala eo am-pelatananao
Fikiro aho, fihino aho tsy ho votsotra
Jesoa o, manana Anao tsy mba manahy
Fiv.
3- Raha sendra ka solafaka indraindray
Manoloana ireo ady toa mahamay
Toky sy fanantenako hatrany Ianao
Jesosy o, Sambatra aho manana Anao
Fiv.
T/F: Sandaniaina Rinasoa Liliane