Manana Anao

Amboaram-peo Hoby Vontovorona

Manana Anao


1-
Ny fitiavanao no horaiko(hiraiko), fa mamiko loatra ry Raiko.
Ilay famonjena natolotra ahy, mpanota efa very fanahy;
Fa mbola noraisinao ihany, na efa tsy mendrik’izany,
Nofihinanao aho raha lavo,
Sambatra aho Ray ,fa manana anao.


2-
Tao anatin’ny aizim-pito (tao), notsilovinao hay ny diako.
Ninia aho nikipy f’adala, dia nahitsinao Ray Malala;
Satria tsy foinao aho ho very, notantaninao tsy ho irery,
Nofihinao aho haha lavo,
Sambatra aho Ray fa manana anao.


3-
‘Reo ampitso izay mbola ho avy (ho avy)
,toa tsinjoko eto sahady
Ny mbola ho fiahianao hatrany, izay momba ahy rehetra ety;
Manamafy indray ato am-poko, ilay fitiavanao Ry Inoako,
‘Reo fanantenako efa lefy taloha,
Niorim-paka nanjary vaovao.


RASOLONJATOVO N. Bertin Août 2004
©Mangazaka


·