MANANA ANAO

APAL EKAR BEMASOANDRO

MANANA ANAO


Mino izahay, mino ny teninao,
Indro fa velona ato anatiko ‘lay teninao hoe “Matokia”


1- Fa n’inona koa hanjo anay ety, ekeko f’izay no sitrakao,
“Indro aho, homba anao”, hoy ny teninao; matoky Anao aho,
Dia tsy mba hisaraka aminao aho, sanatria ny hiala aminao,
Ambany elatrao no mahatsara ahy na aiza na aiza misy ahy!


2- He! Tsapako izao ny sandrinao mahery mihazona ahy mba tsy hianjera!
Manda sy andry iankinako Ianao: Ianao ry Ray!
Ka fanantenako ô ry Tompo tia: any am-paradisa no iaonantsika,
‘Lay toerana nomaninao ho anay: any no hiaonantsika indray!


Tsy misy afa-tsy Ianao ihany no afaka hanome fiadanana ho ahy;
Tsy mba hangozohozo ny tenako fa MANANA ANAO


·