MANAM-PINOANA

Ny ANTSAN'NY FAMONJENA

MANAM-PINOANA


Matetika loatra ny saiko,

No miasa sy be fanahiana

Mametra-panontaniana

Rahoviana? No fotoana hihavianao


Satria raha ny zavatra haiko

Dia tsy hita ho visavisaina

Hariva sa andro maraina

Vao maraina, fa tampoka be ohatr’izao


Ianao Ilay namboatra fitoerana ao an-tranon’ny Ray

Ilaay ho avy ka mbola hiverina hitsara no sady handray

Na olo-tsy mendrika aza aho manana fanantenana

Fa hanana mpisolo vava aho hiatrika ny fitsarana


Manam-pinoana aho, fa raha mbola velona ihany

Raha mbola tsy miala eto an-tany,

Dia hiara-hihira ny hiran’ anjely, hihoby ny fihavianao

Tsy hila fanazavana aho, tsy hiandry fahagagana

Fa manam-pinoana aho ny fiainana mandrakizay


Kanefa raha tapitra ny andro nomenao hiainako ety an-tany

Haoriko androany ny fanantenako fa izaho dia anisan’ny ho any


Manam-pinoana aho, raha maina fa mety malazo

Ny aina izay toa voninkazo

Ho resy ny fasana izay niandrasana hitsangana aho hidera anao

Mino sady manantena, f’ isan’ izay hovonjena

Fa manam-pinoana aho hitoetra ao an-tranon’ny Ray


Manam-pinoana fa manana anjara aminao aho e
Manam-pinoana hiaina fiainam-baovao aho e
Manam-pinoana hitoetra ao antranon’ny Ray aho e
Manam-pinoana ny fiainana mandrakizay


Manomboka androany ny saiko, dia tsy mba ho be fanahiana

Tsy hametra-panontaniana , rahoviana ?

Ny fotoana hiavianao

Satria raha ny zavatra haiko, izay mino an’i Jesosy zoky

Dia afaka ny mahatoky, fa hiara-hitoetra aminao

Fa manam-pinoana aho.


·