Manam-piafarana

GAFLI

Manam-piafarana




  1. Inona moa ‘zay androntsika
    Toy ny zavona ihany
    Ka na ny ratsy na ny tsara
    Dia manana ny fiafarany
    Samy handray izay nafafiny
    Ref: F’izay mamafy araka ny nofo ho lo
    Tsy manantena ilay lova soa, satria
    Fitiavana no lehibe indrindra,
    Fihavana, ‘zay vokatry ny Fanahy
    No manome Fiainana tsara
    Miorina tsy manahy
    Ka mitsangana, andeha re
    Hiaraka haneho firaisan-kina
    Hiray sento sy ny fifaliana
    Amin’ny fiainana




  2. Tsy ho fotoana very maina
    Ny fahavelomantsika
    Raha asa izay mamelon’aina
    Sy mampahery fo sy saina
    No hanehoantsika ny herin’i Kristy
    Ref: F’izay mamafy araka ny nofo … (x2)




·