MANAKOAKO FATRATRA
Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna
MANAKOAKO FATRATRA
Manakoako fatratra
Ny lazanao ry Noely
Fa maminay sy tianay
Ilay zanak’Andriamanitra
Ny hanitrao ry Noely
Mitondra fofo-manitra
Ô arahaba no atao
Nahazo famonjena masina
Refrain:
Fa maminay sy tianay
Ilay Jesosy zaza soa
Fa maminay sy tianay
Ilay jesosy zaza soa
Ny avotrao ry Tompo soa
Dia feno fitiavana
Tsaroanay anio tokoa
Ianao madio sy masina
Nandao ny fiandriananao
Ka nidina nanasoa anay
Ô arahaba no atao
Nahazo famonjena masina
Refrain:
Fa maminay sy tianay…