Manàna fanantenana
GROUPE MANANDRATRA
Manàna fanantenana
1-Moa tsy anananao ve ny fanantenana ry namako
No toa kivy ianao mahatsiaro irery mitanondrika
Moa tsy fantatrao fa misy Mpamonjy azo antoka
Mbola manome toky ahy sy ianao hibebaka
Réf:
Averimberina amiko sy aminao ny hoe matokia Azy ianao
Ny teny fikasany milaza ahy sy ianao hoe:“antenao”
Antenao ny lanitra misokatra ho anao
Raha toa kivy ianao
Matokia Azy hatrany fa Izy no ilay Tompo tena mahay
2-Moa tsy anananao ve ny fanantenana ry namako
Fa ilay Tomponao hoavy tsy hoela handray anao
Ilay sandriny no efa mitsotra hintatana
Koa raiso izany anio mba tsy ho neninaoooo
A/C: Ezra Sabathin