Mamy ny mody
Mahaleo
Mamy ny mody
Mamy ny mody an-tany niaviana ô! Eny ry lahy e, eny reroy e!
Mamy ny mody, hahita olon-tiana ô! Eny ry lahy e, eny reroy e!
Fa omby adala nandao ny vala.
Tsy nahita fodiana satria toa varimbariana ô!
Nefa mamy ny mody an-tany niaviana ô! Eny ry lahy e, eny reroy e!
Mamy ny mody, hahita olon-tiana ô! Eny ry lahy e, eny reroy e!
Voron-kely adala, sarakin’ny ala.
Nahita ala vaovao ka saiky tamana tao ô!
Nefa mamy ny mody an-tany niaviana ô! Eny ry lahy e, eny reroy e!
Mamy ny mody, hahita olon-tiana ô! Eny ry lahy e, eny reroy e!
Fa lalitr’adala sendra tranon-kala.
Voafingana vao variana, diso làlana hiviliana ô!
Nefa mamy ny mody an-tany niaviana ô! Eny ry lahy e, eny reroy e!
Mamy ny mody, hahita olon-tiana ô! Eny ry lahy e, eny reroy e!
Fa tantsaha nanao tanim-bary. Tsy naharaka fiainam-bazaha
Ka nandraky nandraky narary
Fa Mamy ny mody an-tany niaviana ô! Eny ry lahy e, eny reroy e!
Mamy ny mody, hahita olon-tiana ô! Eny ry lahy e, eny reroy e!
https://www.youtube.com/watch?v=nRRxgonUM-s
Mahaleo