MAMY NY MODY

Ny any aminay

MAMY NY MODY


O ! ry vorona efa lasa niotra
Etsy kely mba hafarako ianao ô !
Te hijanona fa tsy afamanoatra
Hanara-dia anareo ô !


Hianatsimo sa hianavaratra
Hiatsinana sa hiankandrefana
Tsikirity momba fody
Mahatsiaro fa mamy ny mody


Ref : Fa ny vorona aza manana akany
Isika koa anie mba torak’izany
Andeha hisaraka hamonjy fodiana
Fa tsy maintsy hihaona any aorina


Satry ihany hitafasiry
Ny fotoana ho aho tsy hananam-piry
No manosika tsy fidiny
Ireto Havana handao anareo


Ny masoandro efa iva dia iva
Mitsotsorika hilentika madiva
Izahay koa anie mba manam-podiana
Hametraka Veloma masina


Veloma! Masina indrindra
Masina! Masina indrindra
Veloma mbola hihaona
Ho arivo Tratry ny taona


Tonony sy Feony: RAKOTOARISOA


·