MAMY NY AKANY
Pauline Rabehasy
MAMY NY AKANY
Hariva ny andro
Mangina ny tany
Irony masoandro mihilana hatrany
Lasa ny sento
miampita any ho any.
Tsaroako eto
Fa mamy ny ankany
Ny ventso injao mitalaho
Fa he sarak’olona irery
Ary ranomaso mitraho
Mitomany tsy misy mpijery