Mamy kely

Tanjona Randrianarivelo

Mamy kely


Mamy kely


Ekeko hoe tsy Tonga lafatra aho malala,
Fa olombelona ihany,
Nefa te hiezaka hanamafy fa ianao dia tonga lafatra indrindra ho ahy,
Raha mbola eto an-tany,


Somary mafimafy ady, tsy manan-karena,
‘Nefa ianao tsy niala,
Raha sendra tsy tafitraka toa nampahonena,
Ianao teo foana tsy niala,


Tena hafaliana tsy omby tratra ny any anatiko any,
Satria nahazo olona mamy,
Tsy misy iriako intsony eto an-tany,
F’ianao irery ihany dia ampy.


Fa na tafiotra mafy,
Sembanan-drahona, ianao tsy niala fa teo ihany,
Nataonao tsapako fa misy ny fitiavana,
Tsy nila nanontany


Somary mafimafy ady, tsy manan-karena,
‘Nefa ianao tsy niala,
Raha sendra tsy tafitraka toa nampahonena,
Ianao teo foana tsy niala,


Tena hafaliana tsy omby tratra ny any anatiko any,
Satria nahazo olona mamy,
Tsy misy iriako intsony eto an-tany,
F’ianao irery ihany dia ampy.


Tanjona Randrianarivelo


·