Mamo lava

Tarika Hasina

Mamo lava


Mamo lava


Efa nolazaiko ialahy omaly
Mba tsy hisotro intsony fa sao marary
Nefa ialahy tsy nety fa nandao ahy, ka tsy itako izay azo natao


Voa ialahy zao ka aza be taraina
Vaky loha ialahy satria voa-ainga
Ny vatan’ialahy feno maratra
Ny lamba tsy hita fa nisy naka


Réf
Vao maraina be de efa mahalany botakely
Tsy mieritreritra fa avy de mamely
Mba diniho ihany letsy ny zavatra atao
Rehefa hita tsy mety mba avelao


Izao ialahy dia efa olom-bery
Tsy misy mpitia tsy misy mpijery
Ny fianakaviana koa mialangalana
Ialahy kosa efa miha-raraka


Ankehitriny koa dia efa lasa
Mampitondra faisana ny akama
Vatambatam-poana rehefa mba miresaka
Fa ny sain’ialahy efa reraka


Réf…


Efa akaiky hitapy ialahy, mila ho lasa adala
Tsy mahatanty fiainana fa mora kivy.
Ny hany sisa mba hain’ialahy dia ny misotro toaka,
Ka tsy hanan-taranaka fa ho very faty


Satria
Tsy manambady
Fa very
Mibalady
Misotro
Misotro toaka
Tena
Igagam-bahoaka


Aut/Comp: Odeam, R


·