MAMINDRA FO AMIKO
Groupe NAINA
MAMINDRA FO AMIKO
Mamindra fo amiko
Andriamanitra ô
Araka ny fahasoavanao
Araka ny haben’ny fihantranao
Vonoy ny fahadisoako
Ka mamindra fo amiko
Sasao madio aho izao
Mba ho afa-keloka
Aoka mba ho diovinao
Ho afaka ny fahotako
Tsaroako dia tsaroako ny fahadisoako
Tsaroako tena tsaroako
Eo anatrehako mandrakariva
Ny fahotako
Taminao dia taminao
Taminao no nanotako
Izay ratsy teo imasonao
No efa vita sy nataoko
Tsaroako dia tsaroako ny fahadisoako
Tsaroako tena tsaroako
Eo anatrehako mandrakariva
Ny fahotako