Mamindra fo

Antoko Mpihira MORIA

Mamindra fo


Mamindra fo amiko Ianao ry Tompo
Fa mania sy tsy nanoa Anao ny foko
Taminao no nanota ny fanahiko
Hitanao ny haratsiana ato anatiko
Ota no nitoetra sy nahariana ahy
Fantatrao ny fisian’ny adim-panahy


Mamindra fo fa tsy hanindroa
Izao no voadiko ho Anao


Tiako ry Tompo, ny ho tonga mpanompo
Vonona hiafy, raha tojo ny mafy
Tsy hitaraina, manolotra aina
Ary hanantena ilay famonjena


·