Mambabo

Samoela

Mambabo


Pôliako avy lavitra aloha,tsara eh!
Dinihiko ny lafiny roa, ny avy ato afara sy ny avy ao aloha
Vao miresaka dia mambambo fo,tara eh!
Mampitahotra fa toa mpaka fo,maketsy ary koa makeroa
Ooooooo


Pôliako avy lavitra aloha,tsara eh!
Dinihiko ny lafiny roa, ny avy ato afara sy ny avy ao aloha
Vao miresaka dia mambambo fo,tara eh!
Mampitahotra fa toa mpaka fo,maketsy ary koa makeroa
Ooooooo


Fa tsara hono ianao , tsara eh!
Mahatara hono ianao , tara eh!
Mambabo hono ianao , babo eh!
Ianao iny


Manakorontana ny be sy ny maro oh!
Mampifamototra no mampifangaro oh!
Mahasondriana an’ireto mpandalo oh!
Mampisaritaka an’ireo saro-piaro oh!


Manja aloha dia manja tokoa , manja eh!
Mampitorina ny zanak’atidoha, mampiasa loha sady manimba fo
Mitsiky aloha dia meva tokoa , meva eh!
Fa ilay revy no toa kitoatoa , fa lava tongotra no tia miara-droa fa…


Tsara hono ianao….


Avy ianao zay , mafatifaty no sady masay
Avy ianao io , mandravarava miseho azy ho tadio
Tsy mievitra hanozona fa sao miantso vonjy raha tontonan’ny tsozona eh
Tsy hirary loza fa ratsy be lay misy soratra foza eh


Manakorontana ny be sy ny maro oh…….


·