MAMANGY ANDRIAMANITRA
Antsan'ny Famonjena Betlehema Ankofafa (AFA)
MAMANGY ANDRIAMANITRA
1- Tonga mamangy antsika Andriamanitra
Jesosy Kristy teraka tao Betlehema
Hampahafantatra ny fanjakan’ny lanitra
Sy mitaona ny olona ho vonjena
Nanetry tena ilay Jeso
Fa tranon’omby anie no nandriany
Nefa izy anie mpanjaka be voninahitra re
Fa nampiseho ny fitiavany ahy sy ianao
2- Tonga mamangy anao Andriamanitra
Jesoa Kristy mandona ao am-ponao
Mitaona anao ho amin’ny fanjakan’ny lanitra
Hoy izy : « Atolory ahy ny fonao »