Malemy am-po

Ckoji (feat. Dom Rasolo)

Malemy am-po


Aleo aho hitony tsy ho lasa fo vato
Malemy ao am-po ka mandefitra anao
Raha ny ratram-poko no ampihariko hamaliana anao
Aleo aho hitady vaovao.


hmmm houieeee


Izay teny avoakan’ny vavanao
Manokatra fery, mameno alahelo
Toa tsindron’antsy tsy satry haningotra ny aina
Tsy anao kanefa ataonao


Ilay fitiavako nararaotinao
Voatombok’havatsa amin’ny ratra sy fery
Ilay ao ampoko mantsy anie sao tsy fantatrao.
Marary aho ampijalianao.


Aleo aho hitony tsy ho lasa fo vato
Malemy ao am-po ka mandefitra anao
Raha ny ratram-poko no ampihariko hamaliana anao
Aleo aho hitady vaovao.


Aleo aho hitony tsy ho lasa fo vato
Malemy ao am-po ka mandefitra anao
Raha ny ratram-poko no ampihariko hamaliana anao
Aleo aho hitady vaovao.


Ny tokatrano anie fihafiana
Mamerina antsaiko ny hafatr’i neny
Ny torimasoko efa tsy zarizary
Noho ianao, tsy sahy aho niteny


Indray andro aho rehefa tsy ho eo intsony
Hangina ny ankany izay misy anao
Ririnina mamanala sy mangatsiaka
Tsy eo aho fa lasa nandao


Aleo aho hitony tsy ho lasa fo vato
Malemy ao am-po ka mandefitra anao
Raha ny ratram-poko no ampihariko hamaliana anao
Aleo aho hitady vaovao.


Aleo aho hitony tsy ho lasa fo vato
Malemy ao am-po ka mandefitra anao
Raha ny ratram-poko no ampihariko hamaliana anao
Aleo aho hitady vaovao.


·