Malalan'ny foko

Ain'smith feat Fandresena

Malalan’ny foko


Ain’smith: 2x
Tsy ianao no tena lafatra na ianao no tena tsara
fa ianao no malala, malalan’ny foko
ka ovina na ovina ianao tsy ho soloiko
satry ianao ianao no efa malala, malalan’ny foko


Fandresena :
Mahery noho ny vintana lay fitiavako anao
Ka tsy azo hozongozonina ilay fitiavako anao
Fa efa tena lalim-paka tsara ao ampoko ao
Mbola tsy teraka ary tsy hisy mihitsy izany hasolo anao
Ka mandrakizay tsy hiova lay fitiavako anao
F’efa vita sary tsy voakosoka ao am-poko ao
Ka raha ianao io no tsy hitako ny miaina aza tsy kifako
nafoiko hatreo ny ditrako satria ianao no sitrako


Ain’smith: 2x
Tsy ianao no tena lafatra na ianao no tena tsara
fa ianao no malala, malalan’ny foko
ka ovina na ovina ianao tsy ho soloiko
satry ianao ianao no efa malala, malalan’ny foko


Fandresena :
Na ho mafy na ho mora ny fiainantsika roa
Tsy mila hafa intsony aho fa efa ianao no mahababo ny foko
Ka tsy ho soloiko fa ho mpanjakan’ny foko
Dia tsy ho rarahiko ireo milaza anao ho adala


Fa ilay fitiavako anao anie ka tsy manan-tsahala
Ka ninon’inona miseho ninon’inona mitranga
Dîa izaho tsy hiala satria zaho efa jamba ,
jamba ny aminao jamba ny aminao.


Na ny lalana mideza na io ady sarotra
Rehefa miaraka aminao zah dia tsisy zany andro maloka
Fa feno fifaliana lavitry ny fahoriana
Mahatsiaro sambatsambatra eo anilan’olon-tiana


Ka na orambe mikija, na ny hatsika mamanala
Rehefa eo anilanao zah feno foana ny hafanana
Ianao irery ihany no tiako atsona hoe ry tiana
Satria ilay fitiavanao efa ela no nirina


Ain’smith: 4x
Tsy ianao no tena lafatra na ianao no tena tsara
fa ianao no malala, malalan’ny foko
ka ovina na ovina ianao tsy ho soloiko
satry ianao ianao no efa malala, malalan’ny foko
yeh yeh yeh yeh …


·