MALAIMISARAKA

Dadhy Velonkira (Velkira Asampinga)

MALAIMISARAKA


Takarivan’ny alahady
Tsinam-bolan’ny Alahamady
No na hitako an-droky voaloha(ny) teiry avara-tsinanan’ny vavahady


Dia nikisaka nianatsimo anelanelan’ny Adaoro sy Adizaoza
Teo sahady aho dia efa nino fa tsy maintsy ho lafatra be ilay kaozy


Malaindaina, malaimisaraka.
Nalahelohelo mila hitomany, tsy ho tafahaona izany ny Asorontany
Be erehina sy tena sahirana, fanenjehana raharam-pamadihana.


Asa angamba atsy ho atsy
Tsy aleo ve ny Alahasaty
Raha tsy izany dia ny Asombola
Eo isika vao mandamina mora, mamolavola, mifanakalo rora, midoladola.


Vodiandron’Adimizana
Sasa-niandry aho tao an-tanĂ na
Tsy nitsaha-nitrotro am-bavaka aho Malala nanao hifankahitana.
Fenomanana Alakarabo
Miramirana ravoravo
Hafaliana tsy omby tratra teny antsena raha sendra mba nifanena


Nalaindaina, malaimisaraka
Fitiava-matotra fa tsy maosimaosy
Nanampy fatotra ny Alakaosy
Resy lahatra ny Adijady hanamafy horina ka andeha mba hivady


Nampihetsi-po ilay Adalo
Velon-kira nikalokalo
Miarimbolan’ny Alohotsy;
Tsy ankijanona alahady-sabotsy: toa rotsirotsy
Alahamady-Alohotsy: toa nitositosy


·