Malahelo kely

Fanja Andriamanantena

Malahelo kely


Malahelo kely indray
Malahelo anao mihitsy ,
Tsy maharitra ela anefa fa minitra vitsivitsy
F’izay alahelo kely izay
Mahasosotra ahy mihitsy ,
Fa mamenofeno fo mamely mafy tsy mitsitsy


Malahelo kely indray nefa tsy hita atao akory
Tsy maharitra ela anefa nefa dia manorisory
Izay alahelo kely izay manadaladala saina
Tsy mifidy izay fotoana
Na hariva na maraina


Oh oh ehh , ouuee
oh oh oh ou ohhhh ou ohh ohhhhh


Te handohalika hitomany
Dia valaka , te ahita taningazana
Te haniditsidina tsy ho tazana
Te hitety lohasaha
Te hanidina izay
Ny toerana misy anao
Hiazakazahako dieny izao


Izay alahelo kely izay manadaladala saina
Tsy mifidy izay fotoana
Na hariva na maraina


Chanté par Faniah
Nampiditra : Jessymih


·