Malagasy avelao
TDL (True Direction Life)
Malagasy avelao
Fantatro tompo fa malahelo ianao
Izay no mahatonga izao loza rehetra izao
Mitaraina ny tany mavesatry ny otanay
Jesosy ô! Jereo ny nosinay (×2)
Mifona ho an’ny fireneko aho
fa mijaly izahay ety
Mifona ho an’ny fireneko aho
fa marary izahay ety
Mitalao mba enoy izao vavaka izao
Raha misy ny hatezeranao Malagasy avelao (×2)
Indraindray dia mifanome tsiny izahay
Tsy mba mifamela mba ho Malagasy hitambatra ho iray
Tsy izany anefa no toe-mpanahy tadiavinao
Jesosy ô! Malagasy re! mba hiantrao (×2)
Mifona ho an’ny fireneko aho
fa mijaly izahay ety
Mifona ho an’ny fireneko aho
fa marary izahay ety
Mitalao mba enoy izao vavaka izao
Raha misy ny hatezeranao Malagasy avelao (×2)
Raha misy ny hatezeranao Malagasy avelao (×2)