MALAGASY Ô!

AMPIZIFA

MALAGASY Ô!


Ry olona ô! henoy anie izao hira izao
Feo miantso anao hoe: aiza ianao?
Malagasy havako ô! mandrenesa
Mila anao re, mila anao ny taninao


Malagasy ô! aoka isika hifankatia fa:
Nosy iray anie, ity tany ity
Andriamanitra tsy tia ny fifandrafiana
Ny mifankatia: sitrany


Havako ô! fantatrao ve f’efa akaiky
Ilay Mpamonjy lehibe: Jesoa tia
Mbola maro ireo havanao mitady ho very
Mila vonjy, mila vonjy aminao


Malagasy ô! aoka isika hifankatia fa:
Nosy iray anie, ity tany ity
Andriamanitra tsy tia ny fifandrafiana
Ny mifankatia: sitrany


Tompo ô! ô mamela ny otanay
Aza avelanao irery izahay
Ireo mpitondra anay anie mba tantano
Mba tohano tsy hihemotra izahay


Malagasy ô! aoka isika hifankatia fa:
Nosy iray anie, ity tany ity
Andriamanitra tsy tia ny fifandrafiana
Ny mifankatia: sitrany
Ny mifankatia: sitrany


·