Makà aina

Niu Raza

Makà aina


Aleo aloha tsy hivoaka androany
Fa mila miala sasatra ny lohako
Aleo aloha mba hatory androany
Fa reraky ny mikandra ny vatako


Mjianona kely aloha
Fa reraka saina
Mjianona kely aloha


Dia mba mangalà aina
Mba mangalà aina!


Hazakazaky ny fiainana ity tsy mety tapitra,
Raha toa tsy maka aina tsy handeha lavitra.
Ento miadana ny dia


Aleo mba maka aina dieny mbola velona
Vatana reraka tsy mahavita na inona na inona
Fa aina iray ihany izy io tsy miverina


Tsy voavidim-bola, eny an-tsena tsisy solony
Moramora ihany na Dia zany
Fa Tsy misy roa ny toa anao


Mjianona kely aloha
Fa reraka saina
Mjianona kely aloha
Dia mba mangalà aina


Mba mahaiza maka aina!


·