Maholia

Rebika

Maholia


Dia tena sahinao mihitsy ny milaza fa :
Tsy afaka misaraka ny hoe harena sy fitia
Atao ahoana moa fa tsy afaka manoatra ka
Mionona aho rehefa tsy mba tiana anefa tia


Nefa hisaorako ianao tsy niavona
Na dia nampiseho ilay fandàvana
Tsy nanary ny fihavanana


Maholia, ireo tsikitsikinao
Izay napetrakao
Tanatin’ny tontolon’ny fihavanana
Sao mba azo hakisaka ao anatin’ny tontolon’ny fitiavana (x2)


Tsy te handatsa fa tsaroako ianao nilaza fa
Tsy afaka misaraka ny hoe harena sy fitia
Ankehitriny lavitra ahy ny tsy fananana
Ka mionòna raha toa ka mba tsy tiana anefa tia


Tsy finiavana hampijaly
Nefa kosa ho’aho toa vao omaly
Ilay nilazako anao hoe :


Maholia, ireo tsikitsikinao
Izay napetrakao
Tanatin’ny tontolon’ny fihavanana
Sao mba azo hakisaka ao anatin’ny tontolon’ny fitiavana (x2)


Maholia, Maholia…
Maholia, Maholia…


Maholia, ireo tsikitsikinao
Izay napetrakao
Tanatin’ny tontolon’ny fihavanana
Sao mba azo hakisaka ao anatin’ny tontolon’ny fitiavana (x2)


·