MAHEREZA SY MATANJAHA

Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)

MAHEREZA SY MATANJAHA


Misy ady lehibe sy tena sarotra:
Reo fahavalo maro izay miandry anao
Ny lalana aleha dia mbola lavitra
Kanefa kosa aza kivy ianao


Ka mahereza sy matanjaha
Aza matahotra na manahy azy
Jehovah Andriamanitra hitantana anao
Ka tsy handao na ahafoy anao izy



  1. Ireo fakam-panahy izay mandrirotra
    Ka mila hampiverin-dalana anao
    Matetika izy ireo toa tsy voatohitra
    Kanefa kosa aza kivy ianao


FIV…



  1. Ireo adidy maro izay napetraka
    Mavesatra kanefa dia tsy maintsy atao
    Toa mampihemotra sy mahaketraka
    Kanefa kosa aza kivy ianao


·