Mahereza ry mino

AFA (Anjomara Famonjena Anosibe)

Mahereza ry mino


1- Mafy ve ny fiainana ? mila tsy ho zaka intsony ?
Mahaketraka fanahy, mila hampamoy fo
Andrandrao ny masonao ka ny Tompo no jereo

Izy miantso hoe miverena, mbola miandry anao Kristy


Ref : ô mahereza e, ka miasà
Ianareo ry mino ô
Fa Jehovah Andriamanitra , Izy no homba anareo


2- Andro aman’alina, tiany ianao hatoky Azy
Fa Jesosy tsy mandao, tsy mba mahafoy anao
Ny hetraketrak’i satana te hamotraka anao

Aza kivy mitsangàna, tanteraho ny adidinao


ô mahereza e…. x2


·