MAHEFÀ BE MANDRAKARIVA

Groupe AGAPE Mahajanga

MAHEFÀ BE MANDRAKARIVA



  1. Ny antom-pisiantsika rehetra eto ambonin’ny tany
    Dia ny hanompo sy hidera an’Ilay nahary
    Ny fahasoavany no naha toy izao ahy sy anao
    Ny fitiavany no namonjeny izao tontolo izao


Ref: Koa amin’izany ry rahalahy
Miorena tsara aza miova
Mahefà be mandrakariva amin’ny asany
Fa tsy ho foana ny fikelezanareo aina ao aminy




  1. Ny olana sy ny fitsapàna dia misy hatrany
    Fa tsy natao hampihemotra akory izany
    Ny Fanahy Masina no hampahery anao
    Hanoro lalana amin’izay rehetra atao




  2. Tsy very maina ny ezaka izay ataontsika
    Fa any am-parany mbola handova an’ilay paradisa
    Toerana izay mahafinaritra tokoa
    Toerana iray izay tsy manam-paharoa




A/C Tsynjo


·