Mahatsiaro

Handyh

Mahatsiaro


Tsy irery ianao na lavitra aza
Tsy irery ianao na any ambadika any ho any
Mahatsiaro foana anao isanandro isanandro
Tsy tafandriamandry fa manisa lava ny andro


Bridge :
F’aingàna ary ianao sao adino any
Fa sasa-miandry anao eto aho


Refrain:
Tsy irery anao na lavitra aza
Manembona anao isanandro aho


Ny elan’elantany tsy hampiova ny fo
Manantena hatrany fa mbola hifankahita isika roa
Manofy ny eo anilanao isan’andro vaky izao
Malahelo mafy anao, te hahita ny endrikao


Bridge :
F’aingàna ary ianao sao adino any
Fa sasa-miandry anao eto aho


Refrain:
Tsy irery anao na lavitra aza
Mahatsiaro foana anao isanandro aho


Mahatsiaro foana anao aho


·