MAHATSARA (Salamo, 73;28a)
AFAS - Antsan'ny FinoanA Soavina
MAHATSARA (Salamo, 73;28a)
1/ Ambinina ka mirehareha ny ratsy fanahy,
Mihevi-tena ho tompon’ny harena hambaboana ahy.
Toy ny lavi-pahoriana, miaina am-piadanana;
Anefa loza sy haratsiana no mibahana.
2/Hianao irery no mahefa ny mahatsara ahy;
Ny fahefana rehetra, Anao ry Ray.
Ka na sedram-pahoriana, mino matoky Anao.
Fa amboaram-pifaliana no hitondranao.
Ref.
Na harena na fahantrana, fahoriana mandifotra ahy.
Manana ny fanantenana aho, ao Aminao, ry Ray;
Fambaboana ataon’ny satana; tsy hataoko hanintona ahy.
“Fa ny MAHATSARA ahy, ry Raiko dia ny ankaikinao”.