Mahatoky hatramin’ny farany

Riampeon' Ny Maritiora

Mahatoky hatramin’ny farany


Jeso ô! Ny fiainako
dia mandalo ady matetika tokoa
Nefa aho mbola mijoro
satria Ianao eo anilako


Hatrizay tena tsapako
Izao tontolo izao nandao ahy,
nandetika ahy
Fa Ianao nampitraka ahy
Iriko ho eo foana rahatrizay


Ref : Jeso, meteza fona Ianao
hampitraka raha sendra lavo aho
Ampatsiahivo ahy Ilay
Teninao hatrizay
dia ny tsy hatahorako
fa Ianao momba ahy
Ka tsy mba hiherikerika aho, Jeso
fa Ianao no Andriamanitro
Mampahery sy mamonjy ahy
eny, mitantana ahy


Indraindray nefa aho ry Jeso,
toa mitady hivily làlana raha tojo olana
Miahiahy hoe: aiza ary
ilay toky nomenao fahizay


Ka ampianaro aho ry Jeso,
hahatoky hatramin’ny farany
na inona manjo
Fa efa Ianao ilay mpitarika ahy
no mahalala izay mahatsara ahy


Ref (x2) : Jeso, meteza fona Ianao
hampitraka raha sendra lavo aho
Ampatsiahivo ahy Ilay
Teninao hatrizay
dia ny tsy hatahorako
fa Ianao momba ahy
Ka tsy mba hiherikerika aho, Jeso
fa Ianao no Andriamanitro
Mampahery sy mamonjy ahy
eny, mitantana ahy


·