Mahatoky

Amboaram-peo Hoby Vontovorona

Mahatoky


Key Bb


1-Andriamanitr’o!  ’lay Ray be indrafo
Hianao ’lay Ray mpiahy, mpanadio koa
Fa izahay izao maditra, mafy loha
Mpiodina mpaniratsira ka tsy mankato


Refrain:


Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana
Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana Ianao
Dia homeko ny satroboninahitra
Fiainana maharitra tsy ho levona Mandrakizay
Lay toerana efa nomaniny ho ahy sy ho anao


2-
Raha jerena tokoa ‘zay asan-tananao
Nataonao hafakely izahay izao
Nahazo ny fanahy, aina sy fo vaovao
Napetraka hanjaka amin’izao rehetra izao


Refrain


3-
Hevero ry sakaiza fa ny  Tomponao
Miandry anao hanoina isan’andro izao
Ho mahatoky Azy n’inona atao
Diniho ka tanteraho ny iraka omeny anao


 Refrain


RAZAFIMAHEFA Archid Volasoa


·