Mahantra

Chantal

Mahantra


Mba rahoviana ry Ray ao ambony
No foana ny tomany sy fijalianay
Fahoriana lava no iainana
Miady amin’ny fiainana
Tsisy hitarainana e


Mitsiriritra, maniry rahan’ôlo
Nefa tsy manambola
Tsy haiko ho ataoko
Na sakafo aza tsisy, i papa tsy hita
Mamolava izy e


Fiv:
Mahantra zaho, tsy manambola zaho
Mahantra zaho, sahirana e
Mahantra zaho, tsy manambola zaho
Mahantra zaho, sahirana e


I mama efa lasa tsy nazaka olana e
Nanavotena tsy niasa saina
Ny momban’ity zanany e
Fiara-hamonina koa
Sanatria raha hivaky loha


Ny azy hono efa olana e
Efa tsy homana e
Dia mbola ho ampina olana e
Izany tsy vahaolana e
Zaza mitonantonana e


Fiv:
Mahantra zaho, tsy manambola zaho
Mahantra zaho, sahirana e
Mahantra zaho, tsy manambola zaho
Mahantra zaho, sahirana e


Mahereza amin’ny fiainana
Zaza mba tokony ho tafa e
Mahereza amin’ny fiainana
Naniry ny tsara kanefa tsy lasa
Mahereza amin’ny fiainana
Ouuuh
Mahereza amin’ny fiainana
Satria mahantra e


Fiv:
Mahantra zaho, tsy manambola zaho
Courage fo zaho, na sahirana e
Na mahantra zaho
(Mahereza amin’ny fiainana)
Na tsy manambola zaho
(Mahereza amin’ny fiainana)
Courage fo zaho
(Mahereza amin’ny fiainana)
Na tsy misy mpiahy
(Mahereza amin’ny fiainana)


·