Mafy
Antoko Mpihira MORIA
Mafy
1- Mafy ny nentinao Jeso ô
Nandao ny lanitra ho anay
Nidina ho zazakely (Ianao)
Mba hanavotana anay
Nandao ny lapan’ny Anjely (Ianao)
Mba hamonjenao anay
Vita ny avotray Jeso ô
Resy ny tahotra noho Ianao
2- Mafy ny nentinao Jeso ô
Maty nijaly Ianao noho izahay
Ny kapoaka nentinao (Tompo ô)
No nanavotana anay
Ny dinitra tonga rà (Tompo ô)
No namonjenao anay
Vita ny avotray Jeso ô
Resy ny fasana noho Ianao