Madagasikaranay

CNFF (Chorale Ny Feo Fihavaozana - FLMAK Ambohimena Antsirabe)

Madagasikaranay


Ray malala o! tahio ny tanindrazanay
Jereo sy vimbino re ny Fiangonanay
Mba handroso lalandava hanao ny sitrakao
Hahay hidera anao ho tonga olom-baovao


Ref: Tompo o! ty Madagasikaranay ity
Ireo Mpitondranay arovinao tsy hania e
Tsy hilavo lefona amin’ny asa izay hatao
Fa hiakina amin-kery sy ny Voninahitrao
Ref:……..


Ny tafio-drivotra sy loza marobe
Dia ampanginonao mba tsy hamely anay anie
Ny herin-tsandrinao no Andry iakinanay
Ho sabatra sy apinga hiaro ny Firenenay


Ref: …x2


A/C: RANDRIANASOLO Rodolphe


·