Môramôra anô Satana
Antokom-pihira Vetson'i Siona
Môramôra anô Satana
1- Maro ireo fakam-panahy
Aroson’i satana ahy
Tsy kely làlana ny ratsy
Rehetra rehetra mety ho voa avokoa
Miomàna fa hiady
Ka raiso ho ampinga i Jesoa
Ref:
Môramôra anao, mba môramôra eh !
Satana môramôra anao, mba hajanony eh
Ny fangalanao ahy fanahy
Miala tany fa tsy mila aho
Fa efa manana ny Tompo aho
Jesoa izy no mpiaro ahy an an an…
2-Mivatravatra aok’izany
Ny asa ratsin’ny satana
Mitandrema tsy ho tratra eh
Fa any ianao dia ho lasany
Fa ny tany anie malàma eh
Ny handavo anao no tadiaviny
3-Izao ihany no tadidio
Finoana ihany no hamafiso
Fa satana anie tsy amela eh
Fa azy ianao no fantany
Ho kapainy ianao hianjera eh
Raha toa tsy handray an’i kristy
© Vetson’i Siona