Lohasaha mangina

Mbola Talenta feat Haja Telofangady

Lohasaha mangina


Aza ny lohasaha mangina no jerena o!
Fa ao Zanahary ao an-tampon’ny loha e !
Fa ny marina no tena volamena
Alaviro ny ratsy itoero ny soa


Réf :
Aza manao mafy sofina raha mbola miaina eto an-tany
Satria zay rehetra nafafy tety no makany makany
Koa dia mahaleova zany havako izany
Koa dia mahaleova fa ny soa tsy ho lany
Fa ny soa anie tsy ho lany


Fa ny soa atao anie levenam-bola o!
Fa ny ratsy loza mihantona
Fahavalo iombonana
Manaova ny marina ihany dieny mbola
Mbola misy tombon’andro, tombon’androm-pahavelomana


Aza manao an’Andriamanitra tsy misy
Ka hoe hatoky tena aho dia hitsambiki-mikipy
Ny nenina anie tsy ao aloha hananatra
Fa ao aoriana handatsa eo ianao vao ho vaka


·