Loharano
Aina Asr
Loharano
Andininy 01 :
Àry aho, tsy mbola nisy izao rehetra izao
dia efa àry aho, tao am-ponao aho.
Loharanom-piainako, nanomé izay iainako
sy izay rehetra mety mba ho anjarako.
Ny hany izay mba fantatro dia izay nomenao ahy.
Isan’andininy :
Ho aiza ary aho? Ho aiza moa raha tsy hiverina Aminao?
Andininy 02 :
Taitra aho, nifoha avy eo toa nahita anao
dia mbola niantso aho na dia naloto aho.
Avy any an-dohasaha aho no nivàrina,
hiverina hiakatra ho rahona.
Hiverina indray, irotsaka Aminao aho.
Isan’andininy :
Ho aiza ary aho? Ho aiza moa raha tsy hiverina Aminao?
Tetezana :
Ianao ilay loharano, nahary, niaviako.
Ianao ilay loharano, izay hany hiverenako.
Isan’andininy :
Ho aiza ary aho? Ho aiza moa raha tsy hiverina Aminao?